Entrée | 1 Mpiandry omby |
Mots élémentaires | 2 mpiandry, 3 omby |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Andriarimalala René |
Texte complet |
7 Injany re tsitapitapy 8 Any an-tendrombohitra any 9 Ny firefotry ny japy. 10 Rivorivo be mifioka ! 11 Izay nandraraka an'izany? 12 Tovolahy mampiady sioka. 13 Mpiandry omby maro andiany 14 Mihosy ahitra efa hoto 15 Fa avy ny hariva hodiany. 16 Sady milalao no miasa, 17 Misakana omby tsy hifanoto; 18 Fa nivadika ny rasa… 19 Ka manenjana salaka 20 Ny vantobanto-jazalahy 21 Manao tolona sy daka. 22 Manatanja-tena izy 23 Ho mahery toa ombalahy 24 Fa efa maika tsy ho ankizy! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |